Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.

Daty
Alahady 16 November 2025

FAHATOKIANA

Vakio ny Nom. 13:6,30-32; ary ny Jos. 14:6,14. Iza moa i Kaleba? Inona no toerana notanany teo anivon'ny vahoaka Isiraely?

Ny anarana Kaleba dia avy amin'ny teny hebreo hoe keleb, midika hoe "alika", izay toe-javatra ratsy mandrakariva no ampiasana azy ao amin'ny Testamenta Taloha. Na izany aza, ny teny hoe keleb dia ampiasaina ao amin'ireo taratasy sy hiram-pivavahana ivelan'ny Baiboly mba hilazana ny herim-pon'ny mpanompo, ny fikirizany ary ny fahatokiany amin'ny tompony. Mifanaraka amin'ny toetran'i Kaleba ny anarany amin'io lafiny io; naneho fahatokiana tsy voahozongozona tamin'ny Tompony izy nandritra ny androm-piainany.

Manambara inona momba an'i Kaleba ny fahavononany hilaza ny heviny na dia tsy niombon-kevitra taminy velively aza ny ankamaroan'ireo mpisafo tany, ary nandrahona azy ho faty ny vahoaka Isiraely? Jereo ny Nom. 14:6-10, 21-25; Nom. 26:65; Nom. 32:12.

Diniho ireto mpitarika isiraelita manan-danja ireto, izay niara-belona tamin'i Josoa sy i Kaleba: Samoa, Safata, Jigala, Palty, Gadiela, Gady, Amiela, Setora, Naby ary Geoela. Efa fandrenao ve ireo anarana ireo?

Azo inoana fa tsia.
Nahoana? Satria ireo no anaran'ireo mpisafo tany folo hafa nirahin'i Mosesy hijery ny tany Kanana. Hadino izy ireo satria tsy mendrika hotsarovana ny anarany. Nasehony ho toy ny tany tsy azo alaina ny Tany Nampanantenaina araka ny tatitra nataony. Toy ny tsingetana no fahitany ny tenany teo anatrehan'ireo olona goavam-be nonina teo amin'ny faritra sasany tamin'ilay Tany, ary levon'ny tahotra ny fony teo anoloan'ireo manda mafin'ny tanana tao Kanana toa "tsy hay resena".

I Kaleba izay anankiray tamin'ireo mpisafo tany roa nanao tatitra tsara, no nanentana voalohany ny vahoaka mba hanana fijery hafa: ny toe-tsain'ny finoana. Vonona ny hilaza izay fantany fa marina izy, na teo aza ny fanoherana, ary na teo aza ny mety ho fahafatesana niandry azy: "Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy." - Nom. 14:10.

Inona no ataonao rehefa toa manana hevitra hafa amin'ny anao ny ankamaroan'ny olona manodidina anao, dia hevitra mifanohitra amin'ny faharesen-dahatra lalina ao anatinao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal