Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho

Daty
Talata 18 November 2025

NY HERIN'NY OHATRA ASEHO

Vakio ny Jos. 15:16-19, Mpits. 1:13, ary ny Mpits. 3:7-11. Inona no ambaran'io tantara io amintsika momba ny herin'ny ohatra aseho? Amin'ny fomba ahoana no isehoan'ny toe-tsain'i Kaleba ao amin'ny taranaka zandriny?

Ao amin'io tantara io dia nanolotra an'i Aksa zanany vavy ho vadin'izay hamely sy hahafaka an'i Debira i Kaleba. Azon'i Otniela io tanana io, koa tonga vadiny i Aksa. Zava-dehibe ity tantara ity satria hita eto indray ny herim-pon'i Kaleba, ny finoany, ary ny fahavononany hiatrika fanamby.

Asehon'izany tantara izany koa fa nanaraka ny ohatr'ireo olo-malazan'ny finoana, dia i Kaleba sy i Josoa, ny taranaka isiraelita manaraka. Rehefa namarana ny fanompoany ny taranaka zokiny, dia nisy taranaka vaovao vonona hiatrika fanamby koa, ary nanohy ny fanatanterahana ny drafitr Andriamanitra ho an'ny Isiraely.

Toy ny nangatahan'i Kaleba tamin'i Josoa hoe: "Omeo ahy irỳ tendrombohitra iry", dia naneho finoana sy fahatapahan-kevitra mitovy amin'izay nasehon'ny rainy i Aksa, niaraka tamin'ny vadiny. Nanaraka ny ohatr'i Kaleba rainy izy tamin'ny nanehoany fahavononana sy fahasahiana ho fanatanterahana ny teny fikasana momba ny fahazoana ilay tany.

Eny tokoa, fanomezana avy amin'i Yahweh ho an'ny Isiraely ilay tany, saingy tsy maintsy naka izany tamin'ny alalan'ny fitakiana ireo teny fikasan'i Jehôvah tamim-pinoana sy herim-po ny Isiraely. Ny fahavononan'i Aksa dia naneho mialoha ny fikirizan'ireo vehivavy ao amin'ny Filazantsara izay tsy voasakan'ny vahoaka na ny mpianatra, ary tsy niala raha tsy nahazo ny fitahian'i Jesôsy ho an'ny tenany sy ny ankohonany.

Vakio ny Lio. 18:1-5. Inona no lesona ho antsika eto?

Tena zava-dehibe ny famindrana ny fanilon'ny finoana amin'ny tara-naka manaraka mba hanatanterahana ny iraka nankinin'Andriamanitra tamintsika. Saino ny fahasarotan'ny fampitana ny finoana amin'ny taranaka manaraka, etsy an-daniny, sy ny tombontsoa ho azon'ny tanora amin'ny fahafahany mandray andraikitra bebe kokoa amin'ny fanaovana ny asan'Andriamanitra, etsy an-kilany. Inona no azontsika atao mba hanampiana sy hanofanana ny tanora ho tonga mpitarika araka an'Andriamanitra? Hatraiza ny maha-zava-dehibe ny ohatra asehontsika amin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal