"Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny làlany no hanehoako ny famonjen 'Andriamanitra." Sal. 50:23.
Mofon’aina:
Andao hianarantsika dieny izao ny hiran'ny anjely mba hahafahantsika miara-mihira aminy rehefa tonga anisan'ny antoko be voninahitra aminy isika. Andao isika hiara-mamerina amin'ny mpanao salamo hoe: "Hidera an 'i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; eny, hankalaza an Andriamanitra aho, raha mbola velona koa." - Sal. 146:2. "Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy." - Sal. 66:2.
Noho ny fahendreny, dia nentin' Andriamanitra teo anelanelan'ny ranomasina sy ny fefy tendrombohitra ny Isiraely mba hahazoany mampiseho ny heriny, sy manetry ny avonavon'ireo mpampahory ny olony tamin'ny fomba manehoeho. Azony natao ny namonjy azy tamin'ny fomba hafa. Azon'ny olony nohararaotina hizahan-toetra ny finoana ananany sy hanehoana ny fifikirany amin' Andriamanitra io fomba fanao io. Efa sasatra sy raiki-tahotra ny Isiraely, ka raha laviny indray ny handroso, araka izay nandidian'i Mosesy azy, dia ho tsy nanokatra lalana hamonjena azy Andriamanitra. "Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina" – Heb. 11:29. Nampiseho ny fitokisany tamin'ny herin'ny Tenin' Andriamanitra nolazain'i Mosesy izy raha !nandeha niroso hatreny amoron-drano. Nosarahin' Ilay Maherin'i Isiraely roa hahazoany mandeha ny ranomasina rehefa vitany ny anjara nankinina taminy.
Misy fampaherezana lehibe ho an'ny mpino hatrizay eto. Niharan-doza matetika ny fiainany ary toa sarotra tontosaina ny andraikitra. Manangana fahalevonana tsy azo ihodivirana eo anoloany sy fanandevozana na fahafatesana avy aoriana ny fomba fisainany. Mazava anefa ny feon'Andriamanitra miteny aminy hoe: "Mandrosoa!" Antsika ny mankatà ny teny nomena. Tsy mampaninona na dia tsy mahita ny any ankoatra ny haizina aza ny masontsika ary na mitsoboka ny rano mamanala aza ny tongotsika. (...) Tsy ho tonga mpankatô na oviana na oviana ny olona izay mangataka andro hisian'ny tsy fisalasalana intsony na tsy hisian'ny faharesena intsony vao hankatô. Ny fisalasalana mibitsika hoe: "Andraso aloha ho afaka ny fefy misakana dia ho hitanao ny lalana mazava". Fa amin-kerim-po kosa no itenenan'ny finoana izay "manantena ny zavatra rehetra" sy "mino ny zavatra rehetra" hoe: "Mandrosoa!" – PM, tt. 273,274.