Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mandalo fahoriana avokoa

Daty
Zoma 18 September 2026

"Koa dia finaritra aho amin 'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin 'ny fahaterena, amin 'ny fanenjehana, amin 'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako."- 2 Kôr. 12:10

Mofon’qina:
Tsy mampanantena ny fahafoanan' ny alahelo ny fivavahana   kristianina. "Tsy maintsy ho amin 'ny fahoriana be no idirantsika amin 'ny fanjakan 'Andriamanitra."- Asa. 14:22. Ilaina ny finoana, finoana matanjaka sy matoky, izay mino fa tsy hisy fakam-panahy hahazo ny zanak'Andriamanitra afa-tsy izay zakany. Ny herin'io finoana io no hazavain'i Paoly ao amin'ny episitliny ho an'ny Hebreo. Tahaka izao no lazainy momba ireo izay matoky an'Andriamanitra ka tsy voahozongozona eo anatrehan'ny fanenjehana sy ny fahafatesana: 

"Izay nandresy fanjakana tamin'ny finoana, niasa fahamarinana, nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan'ny liona, namono ny fidedadedan 'ny afo, afaka tamin 'ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin'ny ady, dia nampandositra ny miaramilan'ny firenena hafa. Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijaliana ho faty, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra; ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy trano-maizina koa; notorahim-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin'ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr 'ondry sy hoditr 'osy; efa lao, ory, fadiranovana."- Heb. 11:33-37.

Eto amin'izao tontolo izao dia heverina ho tsy mendrika ny hiaina ireo mahery fon'ny finoana; fa any an-danitra kosa dia voasoratra ho zanak'Andriamanitra izy ireo, mendrika ny voninahitra ambony indrindra (Apôk. 3:4). Miandry azy ireo any amin'ny lapan'ny lanitra ny "voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay." "Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin 'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin 'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an 'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy."- Heb. 12:1, 2. "Fa ny fahorianay maivana, izay vetivèty foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay, raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay."- 2 Kôr. 4:17, 18.- RH, 7 Marsa 1912.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal