Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 05 December 2025

Fianarana fanampiny

"Tsy azon'ny vahoaka tamin'ny andron'i Kristy ny asa nanirahana Azy. (...) Ny fampianarana voatolotry ny razana, ny tepy zary ohabolana sy ireo didy nataon'olombelona dia nanakona teo anatrehany ny lesona nokasain Andriamanitra hatolotra azy. Nanjary zavatra nanakana azy tsy hahazo sy tsy hahatanteraka ny fivavahana marina ireo teny izay zary ohabolana sy ireo lovan-tsofina. Ary rehefa tonga tokoa ny Tena Izy, teo amin'ny tenan'i Kristy, dia tsy hitany teo aminy ny fahatanterahan'ireo tandindona rehetra fahitany, ny fototr'ireo aloka rehetra nipetrahany. Notsipahiny ny tena izy fa nifikitra tamin'ny tandindona sy ny fanompoam-pivavahana tsy misy antony intsony izy ireo. Efa tonga ny zanak Andriamanitra nefa mbola nangataka famantarana ihany izy. Ny hafatra manao hoe: 'Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra' dia novaliany tamin'ny fangatahana fahagagana. Vato nanafintohina azy ny Filazantsaran'i Kristy satria famantarana no nangatahiny fa tsy ny Mpamonjy. Nanantena izy fa ny Mesia dia hanamarina ny tena maha-Mesía azy tokoa tamin'ny alalan'ny asa mahery vaika hanorenana ny fanjakany eo ambonin'ny faharavan'ny fanjakana eto an-tany. lo fanantenana io no novalian'i Kristy tamin'ny alalan'ny fanoharana momba ny mpamafy. Tsy amin'ny herin'ny fiadiana na amin'ny fanelanelanana feno hery no handresen'ny fanjakan Andriamanitra, fa amin'ny fampaniriana foto-kevitra vaovao ao am-pon'ny olona." - HF, tt. 20,21.

"Mila Kaleba sy Josoa mahatoky ny fiangonana, izay vonona handray ny fiainana mandrakizay amin'ny fepetra tsotra avy amin'Andriamanitra, dia ny fankatoavana. Ory mpiasa ny fiangonantsika. Izao tontolo izao no saha iasantsika. Mila misionera any amin'ireo tanána sy vohitra izay voagejan'ny fanompoan-tsampy mihoatra lavitra noho ireo jentilisa any Atsinanana, izay tsy mbola nahita mihitsy ny fahazavan'ny fahamarinana. Niala tamin'ireo fiangonana izay mitonona ho mahatoky indrindra ny toe-tsaina misionera marina; tsy mirehitra ao am-pony intsony ny fitiavana hamonjy fanahy sy ny faniriana hitondra azy ireo ho ao am-balan'i Kristy. Mila mpiasa mazoto isika. Tsy misy afaka hamaly ka vonjeo izahay!"?" ve ilay antso re hatraiza hatraiza manao hoe: 'Mità mankatý TFC, b. 4, 1. 156.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Ahoana no anampian'ireo tandindona ao amin'ny Baiboly anao hahatakatra tsara kokoa ny asa ataon'i Jesosy Kristy ho anao?

2. Amin'ny lafiny inona no itovian'ny adintsika ara-panahy amin'ny fakana ny tany Kanana, ary inona no maha-samy hafa azy?

3. Saintsaino ny fahatanterahana faratampon'ilay tandindon'i Josoa. Ahoana no mahatonga ny fieritreretana ny amin'ilay tontolo tsy misy fanaintainana, fijaliana, ary fahafatesana hitondra fanantenana marina ho antsika ao anatin'ny tolona isan'andro ataontsika eo amin'ny fiainana?

4. Naneho ny toetran'Andriamanitra i Josoa; naneho mialoha ny asa fanompoan'i Kristy ny fiainany. Amin'ny fomba ahoana no ahafahanao mamela an'i Jesosy hametraka ny toetrany ao anatinao sy eo amin'ny fiainanao amin'ny fahafenoany kokoa?
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal