Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanokanana ny voalohan-teraka.

Daty
Alatsinainy 04 August 2025

FANOKANANA NY VOALOHAN-TERAKA

Efa ho tonga izao ny fotoam-panavotana sy ny fanafahana izay nampanantenaina. Nasaina niomana ny vahoaka. Tsy nilainy ny nino fotsiny fa nasaina nanao asa araka izany finoana izany izy ireo. Nambaran'Andriamanitra taminy izay tokony hataony; tokony hanatanteraka izany amim-pinoana izy ireo izao. Na dia samy hafa tanteraka amin'ny tontolon-kevitra noresahin'i Jakoba aza ny eto, dia mifanaraka tsara amin'izany kosa ny fitsipika voalaza ao: "Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?" - Jak. 2:20.

Vakio ny Eks. 13:1-16. Tsy voakasiky ny loza farany ireo voalohan-teraky ny Isiraelita noho ny fahasoavan'Andriamanitra. Inona no anton'io baiko izay mitoetra io, ary ahoana no tokony handraisantsika ny hevitr'izany ankehitriny?

Tamin'ny indrafony no niarovan'Andriamanitra ireo ankohonana isiraelita izay nanatentina ra teo amin'ny tolam-baravarany noho ny finoany. Avy tamin'Andriamanitra izany toromarika izany no nampitainy tamin'i Mosesy: "Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra" - Eks. 13:2. Sady nahakasika ny olona izany no nahakasika ny biby koa.

Foto-kevitra iray nofonosin'izany baiko izany ny maha-an'Andriamanitra ny zavatra rehetra satria Izy no Mpamorona antsika sy Tompon'ny zavatra rehetra: "An'i Jehôvah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy." - Sal. 24:1. "Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro." - Hag. 2:8. Voaloham-bokatry ny fitahiana izay natobak’Andriamanitra ny lahimatoan'ny Isiraelita; famantarana maneho ny fanokanan'izy ireo tena ho Azy manontolo koa izany sy ny fahatakaran'izy ireo fa avy Aminy irery ihany izay rehetra ananany.

Hitantsika ao koa ny hevitra momba ny fanavotana sy ny famonjena. Narovana tamin'ny fahafatesana ny voalohan-teraka satria voarakotry ny ra. Navotana tamin'ny fahafatesana izy ireo, tahaka ireo rehetra izay rakofan'ny ran'i Jesôsy . Izao no nosoratan'i Paoly momba an'i Jesôsy : "Izay ananantsika fanavotana, dia ny farmelana ny helotsika." - Kol. 1:14.

Etsy andanin'izany, dia nisy fitsipika nomena azy ireo mahakasika izany fanokanana izany; fankalazana ny fanavotana azy ireo tamin'ny fanandevozan'ny Egyptianina izany. Nasaina nanolotra biby hatao fanatitra izy ireo, fa ny zanany kosa havotana (Eks. 13:12, 13, 15).

Milaza ny amin'izay tokony hataon'ireo Isiraelita eo amin'ny tanany sy eo ambonin'ny handriny ny Eks. 13:16. Ahoana no anehoan'izany ny fahamarinana ara-panahy manan-danja, dia izao: na manao ahoana halehiben'ny finoantsika, dia tsy maintsy miasa araka izany finoana izany isika?
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal