Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Niampita ny ranomasina mena.

Daty
Talata 05 August 2025

NIAMPITA NY RANOMASINA MENA

Vakio ny Eks. 13:17--14:12. Ahoana ny fomba nitarihan' Andriamanitra ny Israelita tamin'ny fotoana nialan'izy Ireo tao Egypta, ary inona no nitranga taorian'izany?

Nivoaka avy tany Egypta tahaka ny tafika voalamina tsara ny Isiraelita, araka ny toromarika nomen'i Jehôvah an'i Mosesy. Ny teny hebreo fsaba' sy makhaneh no maneho izany fanoritsoritana izany, izay midika hoe: "tafika", "antoko", "toby" (Eks. 6:26, DIEM; Eks. 7:4; Eks. 12:17,41,51; Eks. 14:19,20; ampitahao amin'ny Eks. 13:18). Nozaraina ho antoko roa izy ireo ary namindra tahaka ny tafika. Tao aoriana, dia hitan'i Balama avy eo an-tendrombohitr'i Moaba fa "mitoby araka ny fireneny Isiraely (Nom. 24:2).

Tao anatin'izany, dia "nentin'i Mosesy niaraka taminy ny taolan'i Josefa - Eks. 13:19. lo no tsipirian-javatra manan-danja indrindra ao amin'io lahatsoratra lo, izay maneho ny fahatanterahan'ny finoan'i Josefa ny teny fikasan Andriamanitra. Tsy mba very tao an-tsain'i Josefa ny momba ny Tany Nampanantenaina na dia niaina teo anivon'ny firaratr'i Egypta sy ny zava-tsoa tao aza izy. Nangatahiny ny hitondrana ny taolany any amin'ny tany Kanana (Gen. 50:24,25). Ninoany fa hamangy ny Isiraely any Egypta tokoa Jehôvah ary hitondra azy ireo ho any amin'io tany io, araka izay efa nianianany (Heb. 11:22). Rehefa tonga tany Kanana ny Isiraelita, dia "naleviny tao Sekema" ny taolan'i Josefa (Jos. 24:32).

Ny andri-rahona sy ny andri-afo no famantarana hita maso naneho ny fanatrehan Andriamanitra teo anivon'ny olony. Nitoetra teo amin'izy ireo Jehôvah ary niteny avy tao amin'ny rahona (Eks. 14:24; Nom. 12:5,6).

Nasehon'i Farao ny tena tao am-pony. Tsy niova fo izy ary tsy tena nibebaka na oviana na oviana. Fihatsarambelatsihy ny nangatahany an'Andriamanitra hitso-drano azy, ary azo heverina fa fitaka tao am-pony ihany. Novoriny ny miaramilany ka nandeha nanenjika ireo andevo nandositra izy ireo. Endrey, jamban'ny fahotana tanteraka izany lehilahy izany!

Rehefa nahita ny miaramilan'ı Farao nanatona ny vahoaka, dia namoaka teny sy fihetsehampo izay haverimberin'izy ireo amin'ny hoavy: "Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty aty an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay hianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta? - Eks. 14:11.

Izany hoe, na dia efa nahita ny fanehoana tamin'ny fomba mahatalanjona ny herin'Andriamanitra aza ireo vahoaka ireo, tao anatin'lzany ny fiarovana ny voalohan-terany tay ho faty, dia mbola nampiseho tsy finoana mahavariana ihany!

Eritrereto ny fotoana farany niatrehanao olana lehibe. Inona no fihetsikao voalohany nanoloana izany: finoana an' Andriamanitra sa tsy finoana? Inona ny lesona tokony ho noraisinao avy tamin'izany, izay tokony hanampy anao amin'ny sisa rehefa tojo toe-java-tsarotra (ary tsy maintsy hisy izany)?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal