Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

November 2024

Lesona 11: NY RAY, NY ZANAKA, ARY NY FANAHY - Izay mahalala ny Ray dia mahalala ny Zanaka

Manerana ny filazantsaran'i Jaona, dia lazalazain'ilay Apôstôly ny fanaovan'i Jesôsy, ilay Zanaka, ny asa izay manondro ny Ray. Hazavain'i Jesôsy hoe iza ny Ray ary asehony ny Fifandraisany amin'ny tontolo misy antsika. Mifanaraka amin'ny Jao. 1:18 izany rehetra izany, izay milaza fa mampahafantatra ny Ray Izy (Grika exegeomai: manazava, maneho). Imbetsaka i Jesôsy no manao izany. In-136 no ahitana ny teny hoe Ray (pater) ao amin'ny filazantsaran'i Jaona, ary in-18 kosa ao amin'ny 1 Jaona hatramin'ny 3 Jaona. Maherin'ny iray ampahatelon'ny fampiasana io teny io ao amin'ny TV izany.

Lesona 11: NY RAY, NY ZANAKA, ARY NY FANAHY - I Jesôsy sy ny Ray

Noharian‘Andriamanitra telo izay iray mba hanana fifandraisana manokana Aminy isika (Gen. 1:26,27). Noho ny fisian'ny fahotana anefa dia nikorontana tanteraka izany fifandraisana izany. Hitantsika ao amin'ny tantara niseho tao amin'ny saha Edena ny vokatra mivantana avy amin'izany fikorontanana izany.

Vakio ny Gen. 3:7-9. Ahoana no anehoan'izany ny hantsana nateraky ny fahotana, ary inona no dikan'ny hoe Andriamanitra no nitady azy ireo ta tsy ny mifanohitra amin'izany?

Lesona 11: NY RAY, NY ZANAKA, ARY NY FANAHY - Ilay Ray any an-danitra

Nosoratana avy amin'ny fomba fijerin'ny tantara fototra ao amin'ny Baiboly ny filazantsaran'i Jaona; miantomboka amin'ny niandohantsika izany. "Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany." Gen. 1:1. Na koa hoe: Tamin'ny voalohany Andriamanitra Ray, sy Zanaka ary Fanahy Masina nahary ny lanitra sy ny tany. Izy ireo no loharanon'ny zavatra izay misy rehetra. Izy ireo no namorona an'izao rehetra izao sy ireo mponina ao aminy. Nisy famoronana fiainana manokana teto amin'ny planetantsika, ary miavaka indrindra tamin'izany ny famoronana ny olona.

Lesona 11: NY RAY, NY ZANAKA, ARY NY FANAHY - Fampidirana

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 14:10,24; Gen. 3:7-9; Jao. 16:27,28; Jao. 16:7-11; Jao. 17:1-26.

Tsianjery:

"Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo." Jao. 14:26

Misaina ny zavatry ny lanitra

 "Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry." - Apôk. 7:14.

Mofon’aina:

Tonga soa ao amin'ny tananan'Andriamanitra

 "Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny tomponao." - Mat. 25:23.

Ho tafahaona indray ny mpianakavy

  "Izao no lazain 'i Jehôvah: atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; fa hisy valiny tokoa ny ataonao, hoy Jehôvah, ary hody avy any amin'ny tanin'ny fahavalo ireny. Ary misy fanantenana ho anao any am-parany, hoy Jehôvah; fa ny zaza dia hiverina ho any amin'ny taniny indray." - Jer. 31:16,17.

Hifankafantatra isika

"(...) fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy." - 1 KOr. 13:12

Ny fananganana ireo marina amin'ny maty

"Mifohaza sy mihobia, hianareo izay mandry ao amin'ny vovoka; fa ny andonao dia tahaka ny andon'ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty." - Isa. 26:19.

Fanambarana ny andro sy ny ora hiavian'i Kristy

"Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza afa-tsy ny Ray ihany." - Mat. 24:36.

Mofon’aina:
Re avy any an-danitra ny feon'Andriamanitra manam-bara ny andro sy ny ora hiavian'i Jesosy sy milaza ny fanekena mandrakizay amin'ny vahoakany. Tahaka ny firiatry ny kotro-baratra faran'izay mafy no firohondrohon'ny feony mamakivaky ny tany.

Nahafantatra izany feo izany ary nahatakatra izay voalazany ireo olona masina 144.000; ny ratsy fanahy kosa nihevitra fa kotroka sy horohoron-tany izany.

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal