Hodinihina mandritra ny herinandro: Fil. 3:1-16; Rôm. 2:25-29; Jao. 9:1-39; Efes. 1:4,10; 1 Kôr. 9:24-27.
Tsianjery : "Eny, mba ho fantatro lzy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny endriky ny fahafatesany, raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin'ny maty." -Fil. 3:10,11.
Mbola misy fisalasalana mitoetra ao anatintsika mikasika ny famonjena amin'ny alalan'ny finoana irery ihany, izay tsy miankina amin'ny asan'ny lalana. Izany hoe, noho ny antony vitsivitsy, dia manana fironana hiantehitra amin'ny asantsika isika, toy ny hoe hahazoam-pamonjena izany. Manaitra ny fomba iresahan'i Paoly mikasika izany teboka iray izany ao anatin'ny tohan-kevitra mafonja manohitra ireo izay miziriziry amin'ny fiheverana fa ilaina ho amin'ny famonjena ny famorana.
Mba hisorohana ny fiheveran'ny olona sasany fa mitondra famonjena ny asa, toy ny famorana, dia ambaran'i Paoly mazava tsara fa ny fahamarinana dia fanomezana atolotr'i Kristy izay raisina avy amin'ny finoana fa tsy avy amin'ny lalana. Mety tsy miteraka adihevitra na olona amin'izao androntsika izao ny famorana, nefa azo antoka fa mbola manan-kery ny foto-kevitra raketiny.
Izany lohahevitra izany rahateo aza no niandohan'ny Fanavaozana protestanta: ny anjara asan'ny finoana sy ny asa ao anatin'ny fanandraman'ny Kristianina anankiray. Fehiny, i Kristy no zava-drehetra ho antsika, Ilay "Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy" - Heb. 12:2. Raha eo amin'ny toerana tokony hisy azy no ametrahana ny laharam-pahamehantsika, dia hiaina ao anatin'ny fahazoana antoka ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra isika ary hifaly sahady amin'ny teny fikasana momba ny famonjena ka "tsy mitoky amin'ny nofo" (Fil. 3:3).