Vakio ny Efes. 1:22 sy ny Kôl. 2:10. Inona no hevitry ny "loha" ao amin'ireo toko sy andininy ireo? Inona no tian'i Paoly hambara amin'ny fiantsoany an'i Jesosy hoe "Lohan'ny fiangonana" (Efes. 5:23)?
Mandeha ho azy ny fampiasana ny loha ho sary an'ohatra maneho ny fitarihana; hita taratra eo amin'ny tenim-pirenena tsy tambo isaina maneran-tany izany. Hitantsika manerana ny Testamenta Taloha sy Vaovao koa ny fampiasana izany. Mariho ny fampiasana ny "loha" ao anatin'ireto toko sy andininy manaraka ireto:
"Ny lehilahy iray izay olona ihany nefa nilaza ireo zavatra nambaran'i Jesôsy dia tsy azo lazaina ho mpampianatra lehibe momba ny fitondrantena tsara. Na izany olona izany adala - tahaka ny olona iray milaza ny tenany ho atody vakina ambony rano mafana na koa devolin'ny helo. Tsy maintsy misafidy ianao na izany lehilahy izany Zanak Andriamanitra, na adala na ny ratsiratsy kokoa noho izany. Na ianao miantso Azy ho adala ka mandrora sy mamono Azy toy ny olon-doza, na miankohoka eo an-tongony ka hiantso Azy ho Tompo sy Andriamanitra.
Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny teny hoe "Lahimatoa" dia saika manondro an'i Jesosy mandrakariva (jereo ny Lio. 2:7; Rôm. 8:29; Heb. 1:6; Apôk. 1:5), anisan'izany ny ao amin'ny Kolosiana. Kanefa, na dia manondro olona hafa aza izany teny izany, dia tsy voatery izay teraka voalohany no tondroiny. Ny hevitry ny "lahimatoa" ao amin'ny Baiboly dia manasongadina ny fifandraisana manokana ifandraisan'ny zanaka lahy amin-drainy, na fahafiry na fahafiry ny filaharany eo amin'ny fahaterahana.
Rehefa mijery fitaratra na mijery sary isika dia mahita ny endritsika, saingy fisaka izany ary ny lavany sy ny sakany ihany no azontsika refesina aminy. Amin'ny lafiny sasany, dia ny sary sokitra no manome sary mazava kokoa nefa tsy mbola mahatoraka ny tena izy izay sady miaina no mihetsika izany. Mbola midadasika noho izany anefa ny hevitry ny Baiboly rehefa miresaka momba ny endrika, na dia ireo fanehoana latsadatsaka kokoa ireo aza no entina milaza izany.
Vakio ny HI. 4:10-13,19. Inona avy ireo tsiambaratelon'ny fiainana feno fifaliana sy fahasambarana ambaran'i Paoly eto?
Rehefa misy toe-javatra tena sarotra mitranga (mosary, aretina, ratra, fatiantoka), dia manomboka misaina momba ny zava-manan-danja marina ny olona ary mifantoka amin'ireo fitahiana izay matetika tsy noraharahaina. Rehefa mietry isika, ao anatin'ny fahantrana, na saika tsy manana na inona na inona intsony (Fil. 4:12), dia eo no fotoana mampitsiry ny finoantsika.